1 Mpanjaka 10:21-29 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.

22. Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

23. Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.

24. Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.

25. Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.

26. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanĂ na fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.

27. Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.

28. Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.

29. Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.

1 Mpanjaka 10