41. Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42. Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43. Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44. Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
45. Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.