1 Mpanjaka 1:18-21 Malagasy Bible (MG1865)

18. Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.

19. Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.

20. Ary ianao, ry mpanjaka tompoko รด. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.

21. Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.

1 Mpanjaka 1