14. Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15. Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16. Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17. Dia hoy izy taminy: Tompokolahy รด, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
18. Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.