1. Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
2. Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
3. Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: