1 Korintiana 2:13-16 Malagasy Bible (MG1865)

13. Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.

14. Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

15. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.

16. Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy.

1 Korintiana 2