1 Korintiana 16:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.

2. Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.

3. Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.

4. Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.

5. Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -

6. ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako.

7. Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.

8. Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;

9. fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.

1 Korintiana 16