1 Korintiana 14:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.

5. Tiako raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana fampandrosoana.

6. Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?

7. Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?

8. Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?

9. Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra ianareo.

10. Misy fiteny maro samy hafa amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.

11. Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.

12. Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.

13. Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.

14. Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

1 Korintiana 14