1 Korintiana 13:5-10 Malagasy Bible (MG1865)

5. tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,

6. tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,

7. mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

8. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.

9. Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;

10. fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.

1 Korintiana 13